Misokatra ny fisoratana anarana hidirana ao amin’ny Académie Militaire d’Antsirabe
Nisokatra omaly, ny fisoràtana anarana hidirana ho officier ao amin’ny Académie Militaire d’Antsirabe (ACMIL), fivoahana laharana faha 45 no tontosaina ho an’izay afaka amin’ity fifaninana hiditra ho officier ao amin’ny Académie Militaire d’Antsirabe ity. Raha ny fantatra dia ny 12 Novambra 2021 no mikàtona ny fisoratana anarana amin’ity fifaninana hidirana ao amin’ny Académie Militaire d’Antsirabe ity.
Ny Académie Militaire d’Antsirabe moa dia ivon-toeram-pampianarana mamoaka miaramila. Ao antsirabe no misy azy. Noferana ho 1m60 farafaha-keliny ny refin’ireo afaka mirotsaka. Mpitovo tsy mbola manan-janaka no ilaina amin’izany.
Olona manana ny marim-pahaizana bacc+2 ara-panjakàna farafaha-keliny ,ary manodidna ny 18 ka hatramin’ny 26 taona,marihina fa teratany Malagasy ihany no voakasik’izany. Ny minisiteran’ny fiavoram-pirenena no nanambara tamin’ny fomba ofisialy ny fisokafan’ity fifaninana ity.Izany hoe amin’ny maha resak fiarovana azy dia iandraiketan’ny minisiteran’ny fiarovana izy.
Tamin’ny fivoahana tamin’ny laharana faha-42 teo moa dia sous-lieutenant no navoaka ary miisa 69 ireo mpiadina nivoka tamin’izany, izay teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina.
Ny faniriana sy hetahetan’ny be sy ny maro dia ny mba hisian’ny mangarahara eo amin’izany fifaninana izany,ary mba tsy hisian’ny hosoka sy ny firaisana tsikombakomba amin’ny lafiny maro.
Lovasoa Tojonirina
