ActualitésTsidika

Miteraka savorovoro ny fanesorana ny vahoaka ao Ambalamadio Toamasina

Nitrangàna savorovoro sy korontana tao amin’ny fokontany Ambalamadio Toamasina ny marainan’ny Alatsinainy 06 Semptambra teo.

Vadintany sy mpitandro ny filaminana no tonga vao maraina teny an-toerana hanaisotra ireo vahoaka amin’ny taniny.Voalazan’ireto farany fa « misy olon-tokana haka ny tany ka izany no nahatonga ny fanalàna tsy nisy fampiomanana ireto vahoaka ». Velaran-tany mirefy 2ha eo ho eo no voakasik’izany

Tsy nanaiky moramora an’izany anefa ireto vahoaka ka nitokona sy nilanja sora-baventy ,nanambara ny alahelony. Tao anatin’izay anefa no raikitra ny fifanjevoana teo amin’ny roa tonta ka niafara hatramin’ny fandatsahana bomba mandatsa-dranomaso.

Raha ny fanadihadiana nataon’i Edouard mpandinika fiaraha-monina ao an-toerana moa dia « efa nanomboka ny taona 1973 no nipetraka tao ireo mponina, ary nahazo fahazahoan-dalana,hipetraka ao tamin’ny taona 1984 ,izany hoe efa 30 taona nonenana teo izy ireo ».

I Dorlys, izay mponina teny an-toerana koa moa, dia nanamafy izany hoe  fa efa nahazo rariny tamin’ny fitsaràna ihany koa izy ireo, saingy tsy hita any didim-pitsaràna manafoana ilay « titre » azon’ilay olon-tokàna haka ny tany ; nomarihiny anefa fa efa voasazy mihintsy io olona naka ny taniny an-keriny io,fa saingy mbola manana ny taratasin-taniny izy noho ny fanjavonan’ny didy fanamelohana azy izay nivoaka.

Nifototra tany amin’ireo vahoaka noho izany ny fitoriana ka izao niafara tamin’ny fanesorana azy ireo tamin’ny taniny izao.Namerina nanamafy hatrany anefa ireo vahoaka fa « tsy hiala na hisy rà mandriaka aza ». Miantso ny fandraisana an-tanana avy amin’ny minisitry ny fanajariana ny tany izy ireo, ary indrindra ny filohan’ny repoblika sy ny tompon’andraikitra ao an-toerana. Hatreto anefa raha marihina manokana dia tsy mbola nitondra fanazavàna ireo tompon’andraikitra ao amin’ny fitsaràna sy ny olona izay mitory.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire