Nanao ahoana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ?
Nahitana fihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo tany Atsimo na dia teo aza ny fisian’ny valanaretina coronavirus.
Nisy tokoa ny fihenana satria raha 59, 9 % ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo tany amin’ny faritra Vakinankaratra ny taona 2020 lasa teo dia nihena ho 46, 7 % izany tamin’ity taona ity, ny faritra Itasy koa dia nahitana izany fihenana izany eo koa ny faritra Amoron’i Mania sy Matsiatra Ambony. Ny antony fihenana dia noho ireo fanampiana maro notanterahan’ny fikambanana maro isan-karazany ho an’ny zaza malagasy toy ny Hina izay niarahany tamin’ny « Association parlementaire malagasy commission santé et nutrition (Apmsam) » sy ny fikambanan’ny mpanao gazety, mpanao politika, mpanao fanantanjahan-tena sy mpanakanto malagasy malaza na ny « réseau des champions » (Chanut Mada).
Nilaza moa ny filoha lefitra ny Hina, Faniry Hantarinivo fa anisany faritra tena nanaovana fanampiana be ny faritra Matsiatra Ambony nandritra ny fiantombohan’ity hetsika Hina ka izany no naha voasafidy azy handray ny lanonam-pamaranana. Nandritra ny famaranana ny fankalazana ny faha-5 taona ny sehatry ny fiarahamonim-pireneana, fampiroboroboana ny hetsika fanjarian-tsakafo sy fiarovana ara-tsakafo na ny « Harmonisation des initiatives en nutrition et sécurit é alimentaire (Hina)» tany Fianarantsoa no nolazain’iny mpandrindra nationaly ny birao nationaly momba ny sakafo na ny ONN, profesora Vololotiana Hanta Marie Danielle fa nisy fihenana ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Efa mandroso tsikelikely ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo any Atsimo raha ity tombamtombana sy fanambarana ity saingy mbola tsy afaka misioka isika satria mbola tsy tomombana tanteraka ny fahalevan-tena ara-tsakafo indrindra fa mety hiovaova araka ny toe-draharaha ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ity. Ka mila tohizana hatrany ireo hetsika sy tetikasa maro ho fanampiana ireo any Atsimo na mihena na tsia ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Anja Raharimalala
