Antanetibe Ilafy : Tokantrano iray voatafika
Trano iray ao Antanetibe Ilafy no notafihan’ny jiolahy ny alin’ny zoma 13 Aogsitra 2021. Araka ny vaovao, jiolahy dimy no nanafika ity tokantrano iray ity, ny roa tamin’izy ireo nanao sarontava ary ny dimy tamin’izy ireo no nanao arotava ary nitondra fitaovam-piadiana basy vita tanana miisa telo.
Raha ny fanazavan’ireo voatafika, notapahin’ireo jiolahy ny tariby fefy manodidina ny tranon’izy ireo ary novahan’ireo jiolahy an-keriny ny varavarana. Norahonan’ireo jiolahy hamoaka ny vola, vidin’ny fiaran’izy ireo ity tokantrano iray ity. Raha nanda ny fisian’izany vola izany izy ireo, nanomboka nisava tanteraka ny trano iray manontolo ireo jiolahy. Tsy nahita izany vola izany anefa ireto farany ka nisafidy ny haka ireo firavaka sy fitaovana ao an-trano sy ireo fitaovana ao an-dakozia izy ireo mialohan’ny nitsoahany. Tao anatin’ny adiny roa no nanaovan’izy ireo ny fanafihana, ka nalain’izy ireo hatramin’ny ambin’ny sakafo ariva tao an-dakozia sy ireo vatsy notahirizin’izy ireo tao anaty vata fampangatsihana (réfrigérateur). Ilay ankohonana voatafika kosa nohidin’ireo jiolahy tao anaty efitra iray. Tamin’ny roa ora maraina ity ankohonana ity no tafaantso ny mpitandro filaminana.
Nandeha nijery ny zava-niseho teny antoerana ny mpitandro filaminana ary nanokatra fanadihadihana. Nohon’ny fanaradia nataon’ny alika mpanara-dia avy ao amin’ny mpitandro filaminana no nahatratrana olona nohahihahiana iray. Tsy nisy ny olona naratra na maty nandritra izany fanafihana izany, zary lasa mitaintaina avokoa ireo mponina amin’ny tsy fandriampahalemana manjaka any an-toerana.
Sitraka Rajaonarivony
