SocialTatitra

Japon : Miakatra ny harin-karena faobe na eo aza ny toe-draharaha ara-pahasalamana

Niakatra 0,3% ny harin-karena faobe ao an-toerana teo anelanelan’ny volana
aprily sy jona teo. Niakatra izany raha oharina amin’ny telovolana teo
aloha raha ny fanambarana ofisialy nivoaka ny alatsinainy teo. Nidina 0,9%
mantsy ny harin-karena faobe tao an-toerana nandritra ny telo volana
voalohany.

Mihoatra ny vinavina nataon’ireo mpahay toe-karena masoivoho Bloomberg izay
0,1% kosa nefa io fiakarana kely io. Ahafahana misoroka ny fidinan’ny
toe-karena maneran-tany fahatelo izany raha ny fanazavan’izy ireo.

Laisser un commentaire