Fisolokiana fandefasana mpiasa ho any Canada
Mahasarika ny maro tokoa ankehitriny ny andeha hiasaa any ivelany,ny tsy fahampian’ny tolotr’asa eto Madagasikara no anisan’ny tena maha tonga izany.Canada aloha hatreto no anisa’ireo tena mahaliana ny be ny daholo be noho ny fahalalahan’ny fifindra-monina ao aminy.
Efa maro tokoa ireo « agence »eto Madagasikara no milaza fa afaka mandefa olona miasa any Canada ary mitaky vola be tsy toko tsy forohana mba hanatontosana ireo dinga ahafahana mahazo irony atao hoe « Visa /permis de travail, na ihany koa ny statut de résident permanent ».
« Tsy vitsy amin’izy ireny koa anefa no mpisandoka sy mpisoloky fotsiny ihany fa tsy matihanina amin’io sehatra io, ary tena mahay mandresy lahatra ireo olona tsy ampy fanadiadiana sy fikarohana lalina mikasika ny fepetra tsy maintsy lalovana raha andeha hiasa any Canada hany ka misafidy ny vahaolana vonjimaika, mba tsy hilazana hoe toloram-potsiny ireo olona »raha ny fanazavan’ny tompon’andraikitra teny amin’ny Ministeran’ny Asa.
Naharaisana fitarainana fivadiham-pitokisana sy fisandohana ary fisolokiana mikasika ny fandefasana hiasa any ivelany tato ho ato teny amn’ny biraon’ny Polisy, hany ka nanao ny fanadiadiana sy ny famotopotorana avy hatrany ireto farany. « Rehefa natao ny dingana sy ny vela-pandrika rehetra dia fantatra fa vehivavy 45 taona no tena ati-doha mikotrika izany eto, ary efa misy tamban-jotra mihitsy izy ireo »hoy ireo tompon’andraikitra manaraka akaiky ity raharaha ity. « Milaza ny mahafantatra mpampiasa efa vonona ny handray avy hatrany sy olona hafaka ny hampiantrano rehefa tonga any an-toerana »mba ho entina handresena lahatra ireo olona izay liana izy ireo.Sendran’ny doka tsara rahatra ny ankamaroany koa dia roboka,misy mihintsy no tonga hatrany amin’ny fivarotana tanin-drazana sy fanana mba hikarakarana ireo antontan-taratasy maro. »
« Vao tsy ela akory izay no nahitana olona nitaraina tato anaty tamban-jotra serasera « facebook »fa voan’ny fisolokiana tahaka izany »raha ny nambaran’i Alice,zatovo vavy saika niharan’ity fisolokiana avo lenta ity. « Ny tsy fahampian-karama sy ny sitraka omena ireo mpiasa no tena maha-tonga ireo tanora maro mitady lalana hivoahana hiasa any ivelany »hoy hatrany ity farany.
Tokony jerena hakaiky ireo tambanjotran’olona mpisoloky tahaka izao fa fanetry ben’ny firenena no sady mambotry ny mpiara-belona.
Fanja Rakotoarisoa
