Fampianarana ny mpianatra ny ady amin’ny kolikoly
Misy ny fampianarana ny mpianatra izay nokarakarain’ny « Commission Nationale malgache pour l’Unesco » ho an’ny mpianatra sy ny tanora etsy amin’ny IKM Antsahavola.
Efa nanombokan’ny 12 aogositra teo ity fampianarana ny mpianatra ity izay sahanin‘ny vaomeram-pirenena Malagasy ho an’ny Unesco na ny Comnat-Unesco, fampianarana izay mifanindran-dalana amin’ilay fifaninana fanoratana lahatsoratra amin’ny lohahevitra “ady amin’ny kolikoly” izay karakarain’ireto farany ihany. Mizara roa mazava ity fampianarana ity ka ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga faharoa dia ny Soatoavina mifandraiky amin’ny fanoherana kolikly na « Valeurs liées à la lutte contre la corruption » ary ho an’ny mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony kosa ny lohahevitra hoe ady amin’ny kolikoly sy ny andraikitry ny mponina na « Lutte contre la corruption et engagement citoyen ».
“Nahafantarana zavatra maro mahakasika ny kolikoly ity fampianarana ity” hoy I Miora mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo nanatrika ny fampianarana. I Stéphan izay mpianatra eny amin’ny lisea kosa nilaza fa tena nilainy tokoa ny fampianarana azony nandritra ity andro voalohany ity. Nilaza ny heviny kosa i Manda Ravelojaona, sekretera jeneralin’ny Comnat-Unesco fa « Raha te hatratra ny vokatra tsara eo amin’ny fahaizana mitondra isika rahampitso dia ny tanora ankehiriny no mila ampianarina ny tena lanjan’izany ka izany no anton’ity tetikasa fampianarana ny tanora ity. Tena betsaka ireo ankizy sy tanora nazoto tamin’ity andro voalohany ity fa nahatratra 203 izy ireo ».
Efa fihetsika tsara maha te hidera ny fihetsaka nataon’ny Comnat-Unesco ity satria tena zava-dehibe ny fampianarana ny ankizy sy ny tanora ankehitriny amin’ny ady sy ny famongorana ny kolikoly eto Madagasikara. Tsy ny tanora ihany anefa fan a ny lehibe sy ny manam-pahefana sasany koa dia tokony mila izany fampianarana izany satria izy ireny no tena betsaka manao ity kolikoly ity. Mbola mitohy hatramin’ny 18 sy 25 aogositra moa ity fampianarana ity.
Anja Raharimalala
