Mahajanga : Hitohy rahampitso ny fanadiovana ny tanàna
« Atao mamirapiratra ny tanàna handraisana ny Asaramanitra » hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny kaominina renivohitr’i Mahajanga. Niroso tamin’ny asa fanadiovana izy ireo androany ary hitohy rahampitso izany. Hanomboka amin’ny 6 ora sy sasany maraina eo amin’ny lapan’ny tanàna izany ary hanasana ny olona rehetra.
