Matsiatra Ambony : Tokantrano 13 450 tafavoaka tamin’ny faharefoana
Tokantrano 13 450 ao amin’ny distrikan’ Ambohimahasoa sy Isandra, faritra Matsiatra Ambony izay nisitraka ny tetikasa « Haraton’aina » no tafavoaka tamin’ny faharefona lalina ankehitriny raha ny fampitam-baovao avy amin’ny minisiteran’ny Mponina. Mahaleo tena amin’ny fanabeazana ny zanany sy ny famokarana betsaka manara fenitra izy ireo amin’izao fotoana. Tamin’ny alalan’ny vatsin’Ankohonana sy ny Asa Avotra mirindra no nanohanana azy ireo.
