Mozambique : Atao inona moa ny « Lipico » ?
Saron-tava ny « Lipico ». Saron-tava « heaume » manendri-tafika izy ary marika tsy hahavery rehefa any anaty ady raha ny finoan’ireo Makondé nampiasa azy. Misy ihany kosa ireo manao azy mandritra ny dihy amin’ny lanonana ara-pomba nentin-drazana ny famorana ao an-toerana izy antsoina hoe dihy « mapico ».Ireo efa avanana indrindra amin’ny asa-tanana no mamolavola ity saron-tava ity. Hazo malefa no hanamboarana azy ary matetika dia asiana tena volon’olona ny lohany. Mety miendrika lahy izy na vavy saingy tsy maintsy misy « labret » na fanalebiazana ny molotra sy « scarification » na marika eny amin’ny tarehy.
