Tatitra

Union Européenne : Nanampy fatram-bakisiny 4 tapitrisa.

Ny alarobia 10 Martsa 2021 no nanambara ny fifanarahana tamin’ny laboratoara BioNTech-Pfizer ny filohan’ny vaomiera eropeana, andriamatoa Ursula Von der Leyen. Hanampy ny famatsiana amin’ ity volana martsa ity ho an’ireo firenena eropeana no nasongadiny tamin’izany. Hanampy fatra fanampiny efatra tapitrisa amin’ny vaksininy izy ireo. Ho ampiasaina mandritra ny ny volana manaraka ity fatra ity. Ankoatry ny efa nomanina, zaraina arakaraka ny isan’ny mponina ao amin’ny mpikambana ireto vakisiny ireto, nolazaina ao amin’ny fanambarana an-gazety izany mba hisian’ny filaminana amin’ny fizarana. Etsy ankilany, naneho ny ahiahiny ny komisiona momba ny toerana mafana marobe ao amin’ny vondrona eropeana noho ny fahalotoana, toy ny Tyrol any Autriche, Nice ary Moselle any France, Bolzano any Italia ary ny faritra any Bavaria sy Saxie any Allemagne.

Laisser un commentaire