Etats-Unis : Nametraka sazy an’i Cuba i États-Unis
Nanambara sazy ho an’ny minisitry ny fiarovan’i Cuba i Washington ny alakamisy teo, roapolo andro taorian’ny hetsi-panoherana tany Cuba. Nampitandrina ny filoham-pirenena Américain Joe Biden fa vao fanombohana fotsiny ihany izany, hanoy ny sazy amin’ireo tompon’andraikitra mannatanteraka ny famoretana atao amin’ny vahoaka ao Cuba i États-Unis hoy izy.Sazy ara-bola no tanterahina voalohany amin’ny minisitry ny fiarovam-pirenena ao Cuba izay lazain’i Etats-Unis ho nanao asa famoretana amin’ireo mpanatanteraka fihetsiketsehana am-pilaminana sy ireo mpanohana ny demokrasia tato ho ato. Mbola hitombo mafimafy kokoa io sazy io araka ny tatitra nataon’i Joe Biden tamin’ny mpanao gazety. Nanameloka ny fisamborana sy ny fitsaram-bahoaka ireo sahy manohitra ny tenany. Nampanantena hanao tsindry ny fitondrana ny filoham-pirenena ao Etats-Unis mba hamotsorana tsy misy hatak’andro ireo gadra politika voasambotra tsy ara-drariny ary hamerina amin’ny laoniny ny fampiasana ny Internet sy ny fahalalahan’ny mponina ao Cuba hampiasa ny zony.
