ActualitésTsidika

Alasora: Tontosa soa aman-tsara ny hetsika didim-poitra faobe

Ny faran’ny herinandro teo no nanatontosana ny didim-poitra faobe, tao amin’ny ivon-toeram-pitsaboana CSMA II Ankadindratombo. Ankoatra ny fanaovana ny didim-poitra ireo ankizy dia nisy ihany koa ny fanalana nify nandritra izany.

« Izao hetsika izao no tontosa dia noho ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa tamin’ireo mpitsabo sy ny filoha mpanorina ny fikambanana MMM. Hankasitrahana azy satria manasoa ny mpiara-belona no mahafa-pahasahiranana » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny ivon-toeram-pitsaboana.

« Afa-pahasahiranana ny vahoaka amin’ny hetsika tahaka izao. Ary ho salama sy afaka hitondra fampandrosoana ny mponina rehefa misitraka hetsika maimaim-poana kanefa manaraka ny fenitra » hoy i Fidèle, raim-pianakaviana.

Anisan’ny mahavonjy ny mponina, indrindra manala fahasahiranana ny maro amin’izao fotoan-tsarotra izao ny hetsika ara-pahasalamana maimaim-poana tahaka izao. Hirarian’ny mponina moa ny hitohizan’izany hatrany ary hisokatra amin’ny fokontany hafa.

Laisser un commentaire