ActualitésTsidika

Ambohimalaza : Mitohy ny fitokonana ataon’ny station de pesage

Mitohy ny hetsika ataon’ny toeram-pandanjana fiara vaventy (station de pesage) etsy Ambohimalaza. Tsy ny etsy Ambohimangakely ihany anefa fa hatramin’ireo manerana an’I Madagasikara toy ny ao Toamasina, Ambatolampy, Maevatanàna, Ambondomamy ary ny station Mobile Ikelikampona. Antony mahatonga izany fitokonana izany ny tsy mbola nahazoan’ireo mpiasa ao ny karama efa ho dimy volana.

« Miantso ny tompon’andraikitra mba hamaha ny olana izahay fa efa tena mihatra aman’aina ilay zava-misy. Ny fiainana efa tena lafo, ny tsy fandraisana ny valin-kasasarana anefa misy fiantraikany na any amin’ny fianaran’ny zanakay na amin’ny fiainana andavan’andro, ny hofan-trano, ny jiro, sns tokony hefaina » hoy ny solon-tenan’ireo mpiasa.

“Misy fiantraikany lehibe ara-ekonomika ny fisiana na tsy fisian’ny toeram-pandanjana fiara. Misy aza olom-pirenena tsy mahafantatra ny antom-pisian’izy ireny akory. Fa na eo amin’ny vidin-tsolika lany, na eo amin’ny fahasimbann’ny lalana simba vokatry ny vesatry ny kamiao mandala eo, misy fiantraikany lehibe eo amin’ny ekonomia avokoa. » Hoy i Lalaina, mpianatra ekonomia.

Mikasa ny hanohy ny hetsika fitokonana ity hatrany moa ireo mpiasa eo anivon’ny fandanjana fiara ireo, izay hanaovan’izy ireo antso avo amin’ny tompon’andraikita ny fanamahana ny olan’izy ireo.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire