Diso kajy ve ny mpanohitra ?
Mitady izay hevitra azo atao rehetra ireo mpanohitra amin’ny fangalana fahefana eto amin’ny tany sy ny firenena. Nitaky fandravana ny governemanta efa hatry ny ela izy ireo. Notanterahin’ny Filoha tokoa izany saingy tsy arakin’ny nieritreretan’ny Rodoben’ny Mpanohitra (RMDM) azy ny zava-nitranga.
Hita taratra amin’ny lahatenin’ny filohan’ny RMDM matetika tokoa ny fikatsahana toerana eo amin’ny Fitondrana, toy ny tamin’ny fankalazana ny faha roa taonan’izy ireo nanambara izy fa vitan’izy ireo tsara mihitsy ny maka fahefana ary afaka atomboka eny anivon’ny fokontany izany.
‘’Nanantena governemanta marimaritra iraisana ny filohan’ny RMDM Marc Ravalomanana kinanjo rafitra hafa mihitsy no nipoitra avy any. Mafy ny mahazo azy, te hitantana mafy nefa tsy afaka’’ hoy Serge, mpanara-baovao politika. « Mbola mitady toerana foana ve Marc Ravalomanana » hoy kosa i Fetra, mpianatra sociologie, efa nanana « chance » tamin’ny fitondran’i Hery Rajaonarimampianina tsy hita izay vokany. Ny hita sy tsapa tamin’ireny aza dia tsy mety ny fiaraha-mitantana eo amin’ny mpanohitra satria tsy mitovy fijery amin’ny mpitondra ka tsy mitondra amin’ny fampandrosoana hoy hatrany izy. Ny ministra vaovao Pierre Houlder etsy an-daniny nilaza fa afaka omena an’i Marc Ravalomanana ho tantanany ny fokontany Faravohitra raha izay no ilainy. Ny ministry ny serasera kosa indray nilaza nandritran’ny fivahinianany tao amin’ny onjam-peom-pirenena fa tsy misy toerana ho an’ny mpanohitra ao amin’ny governemanta.
Raha ny zava-misy eto Antananarivo aloha indrindrindra, manao izay faraheriny ny mpanohitra manao hetsika matetika mba iresahana momba azy ireo hatrany. Mety hitondra inona ho an’ny Madagasikara nefa ny fisian’izy ireo eo amin’ny Fitondrana?
Tsangy Randriamampianina
