ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Miara-mifanome tanana amin’ny fanadiovana ny mponina sy ny kaominina

Ao anatin’ny fanentanana ho amin’ny fanadiovana sy ny fahadiovana , izay ataon’ny eo anivon’ny kaominina Ankadikely Ilafy, nisy ny fanadiovana faobe izay notanterahana niaraka tamin’ireo mponina tao amin’ny fokontany Ankadikely ao anatin’ny kaominina, ny faran’ny herinandro lasa iny. Fotoana efa nifanomezana, ary hetsika natao hitarihana ny mponina amin’ny fanadiovana ny toerana ampiasaina sy ny manodidina azy no tena tanjona tao anatin’izany, araka ny voalaza.

“Mifanentana sy mifampitaiza mba hanana fahazarana tsara ka samy ho sarotiny amin’ny fanajana ny fahadiovan’ny tanàna, indrindra ho an’ireo mpivarotra sakafo masaka manamorona ny làlana. Efa misy ny lamina napetraka handrindràna ny fitantanana ny fako sy ny rano maloto avy nampiasaina izay tapaka nandritra ny fivoriambe ny kaominina sy mpivarotra, notrononin’ireo avy amin’ny C.C.Wash” hoy ny avy ao amin’ny kaominina.

“Maro ny ezaka mbola tokony hatao indrindra ny eo amin’ny lafin’ny fahadiovana. Mbola maro ireo fokontany sy lalan-kely mila handraisana fepetra sy fanentanana ny mponina amin’ny fanajana ny fahadiovana. Eo ihany koa ireo mpivarotra amoron-dalana eny amin’ny fokontany hafa, izay tena manaparitaka rano maloto sy fako tokony omena toerana manokana” hoy I Tiana, mpisehatra amin’ny fahasalamana.

Andraikitry ny olom-pirenena ny fandraisana an-tanana ny fahadiovana sy fanadiovana eo amin’ny faritra misy azy. Mandray anjara feno amin’ny fahazoana fahasalamana ny fahadiovana ka tsy tokony hiandry fanentanana sy baiko avy amin’ny tomponandraikitra samihafa vao hahalala madio.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire