Ukraine :ny fanafihana balafomanga Rosiana an’i kyiv dia naratra am-polony
Nisy fanafihana balafomanga Rosiana namely ny renivohitra Okrainiana ny alarobia 13 desambra lasa teo, ka am-polony no naratra, araka ny filazan’ny manampahefana.
Tao anatin’ny fanambarana an-gazety, ny lehiben’ny manam-pahefana, Serhiï Popko, dia nitatitra fa 51 no naratra, anisan’izany ny ankizy enina. Nahazo fitsaboana avokoa izy rehetra, hoy ihany izy, ary nilaza fa tsy mbola nahazo vaovao momba ny mety ho maty amin’izao fotoana izao.
