Ankadikely Ilafy: Fandaharan-dalao mandritra ny fifaninanana Basket-ball ho an’ny “inter-fokontany”
Hanomboka ny sabotsy 16 desamba izao ny fifaninanana basket-ball, amin’ny lalao izay karakarain’ny kaominina Ankadikely Ilafy ho an’ireo klioba eny amin’ny fokontany, na ny “tournoi basket-ball des clus inter-fokontany”. Handray anjara amin’izany fifaninanana izany avokoa ireo sokajy lahy sy vavy, araka ny voalaza.
“Araka ny fandaminana napetraka, hanomboka ny sabotsy izao ny lalao fifaninana basket-ball eto amin’ny kaominina. Hanomboka amin’ny 09ora maraina izany ka ny lalao hifanatrehan’ny fokontany Ambohitrarahaba sy Ambohipanja no hisantatra izany” hoy ny avy amin’ireo mpikarakara.
“Hitohy ny alahady ny fandaharan-dalao amin’ity fifaninanana ity. Marihina fa hifandimby hiakatra kianja ny sokajy lahy sy vavy mandritra izany. Araka izany, entanina ny rehetra entanina ny rehetra samy hanaja ny fitsipika sy ny fotoana” hoy hatrany ny fanazavana.
Ao amin’ny kianja filalaovana Basket-Ball moa no hanatanterahana ity fifaninanana ity. Ho an’ireo mila fanampim-panazavana moa dia afaka miantso ny laharan-tariby 033 82 377 16
