ActualitésTsidika

Manomboka androany ny fitsarana miaramila manerana ny nosy

Anio 2 Aogositra no manomboka ny fitsarana miaramila manerana ny nosy. Nisantatra izany ny eto Antananarivo ho an’ireo tanorana zatovolahy sy zatovovavy 19 hatramin’ny 31 taona. Maimaimpoana ny fitsarana miaramila ary samy mahazo karatra maitso manamarina fa efa nitsara miaramila ny rehetra aorian’izay. “Teratany Malagasy lahy sy vavy 19 hatramin’ny 31 taona no afaka miatrika izany ary tsy misy ny fisoratana anarana mialoha” hoy ny avy ao amin’ny Ministeran’ny fiarovam-pirenena. “Manomboka ny 2 hatramin’ny 29 aogositra ny eny Betongolo ary manomboka amin’ny 9 ora maraina hatramin’ny 3 ora hariva, tsy hanavahana toerana nahaterahana fa afak atonga eny avokoa miaraka amin’ny kara-panondro ny rehetra” hoy ny Jeneraly Rasolonirina Roger, talen’ny DSNGR Andohalo. “Adidy tsy maintsy atao amin’ny tanindrazana ny fitsarana miaramila no sady tena ilaina eo amin’ny fiainana tokoa ny fananana ilay karatra maitso amin’ny maha olom-pirenena” hoy i Zo, tanora tonga nanatanteraka ny fitsarana miaramila teny Betongolo. Kara-panondro sy penina manga ihany araka izany no entina mandritra ny fitsarana miaramila ho an’ireo mbola tsy nahavita izany ny taon-dasa. Adidy masina ho an’ny tanindrazana ny fanatontosan’ny tsirairay izany, tsy voatery akory hoe ho lasa miaramila izay mahavita ny fitsarana. Tanteraho ny adidintsika ho an’ny tanindrazana. 

Nicole Rafalimananjara 

Laisser un commentaire