ActualitésTsidika

03 mey : Andro iraisam-pirenena ho an’ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety

Efa niady ary mbola niaady hatrany ny hanomezana fahalalahana hamoaka ny tiany ambara ny mpanao gazety. Efa nambara ofisialy fa tsy azo atao intsony ny managadra ny mpanao gazety eo am-panaovana ny asany izy raha nisy manko ireo fangadrana izany teo aloha. Ankehitriny, azo lazaina ho malalaka tokoa ve ny asa ? Raha saika natsahatra ireo fandaharana « politika » tamina haino vaky jery maromaro noho ny filazana fa manakorotana ny filaminam-bahoaka izany. Vao tsy ela akory izay no nanambarana fa mihemotra ny toeran’i Madagasikara amin’ny fampahalalahana ny asa fanaovan-gazety. Anio, 3 mey no andro iraisam-pirenena ho an’izany,  Isan’ny hanamarika ity andro androany ity ny latabatra boribory hiresahana momba izany miaraka amin’ireo mpisehatra isan-karazany. Mbola anatin’ny hamehana ara-pahasalaman isika izao noho izany, ampitain-davitra izany resadresaka izany. Rehefa mahazo vahana ny asa fanaovan-gazety, mahazo vahana miaraka izany ihany koa ny demokrasia. Mety hampivoatra ny firenena izany ka hahatonga azy ho tany hemokratika, afaka maneho hevitra ny besinimaro. Ny feon’ny mpanao gazety mantsy, feon’ny vahoaka ihany, afaka misolo vava ny vahoaka izy ireo manoloana ny tsy mety eny amin’ny fiaraha-monina, mampita ny olana any amin’ny tompon’andraikitra, manazava ny sain’ny tompon’andraikitra manoloana ny asa miandry azy. Aoka hajanona hatreo ny fanenjehana ny mpanao gazety eo am-panaovana ny asany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire