Ankadikely Ilafy : Mitohy ny asa fanadiovana ireo tata-drano
Mbola mitohy hatrany ny ezaka ataon’ny kaominina Ankadikely Ilafy, amin’ny fanadiovana ireo tata-drano manamorona ny lalam-pirenena sy eny amin’ireo tanàna manodidina, amin’izao fotoana izao. Ireo ekipa avy ao anatin’ny kaominina no manao izay tratry ny heriny amin’ny fanatanterahana izany asa fanadiovana izany, rahaa ny voalaza.
« Ho fitsinjovana ny mpampiasa ny lalana sy ho fikojakojana ny foto-drafitr’asa, ary ho fisorohana ny mety fahavoazana hateraky ny fahatsentsenanireo tatatra no hanaovana ezaka manokana toy izao » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
« Ny tsirairay kosa dia samy tomponandraikitra amin’ny fanajana ny fahadiovana ka tsy hanary fako ao anatin’ireny tata-drano ireny. Ny toe-tsaina tia fahadiovana dia toe-tsaina tia fandrosoana ka manentana ny rehetra samy ho sarotiny » hoy hatrany ny avy ao amin’ny kaominina.
Anisan’ny modely fitaratra ho an’ny vahoaka ny fandraisana andraikitra tahaka izao. Ao anatin’ny ezaka famporisihana ny mponina sy fanentanana azy ireo ihany koa ny hetsika tahaka izao. Samy tomponandraikitra amin’ny fikajiana ny fahadiovana araka izany ny tsirairay ary tokony tandrovana izany ho an’ny tombotsoa iombonana.
Manitra Ramanantsoa
