SOS villages d’enfants : Mandray anjara amin’ny fanabeazana ny zaza malagasy
Fikambanana iray misehatra amin’ny fanampiana ny mpiara-belona ny SOS Villages d’enfants, indrindra ny fiarovana sy fanabeazana ny ankizy. Nanomboka ny taona 1989 no efa nijoro ny SOS Villages d’enfants teto Madagasikara. Ny 10 novambra 1990 kosa izy no nijoro tamin’ny fomba ofisialy. Misehatra manerana an’i Madagasikara ny fikambanana. Ho an’ny faritanin’Antananarivo kosa dia eny Vontovorona no misy ny ivon-toerana fikarakarana ireo ankizy manodidina ny 140 isa.
Ao anatin’ny tanjon’ity fikambanana ity ny fametrahana ny lanjan’ny ankizy ao anatin’ny fianakaviana. Anisan’ny olana lehibe eto Madagasikara ny fahasahiranan’ny ray aman-dreny eo amin’ny fanabeazana sy ny fahasarotan’ny vidim-piainana ka mahatonga ny ankizy tsy afaka misitraka araka ny tokony ho izy ny zon’izy ireo. Ka hanampy sy mitondra anjara biriky ao anatin’izany ihany koa ny fikambanana.
Ankoatra ny fanabeazana sy fandraisana ireo ankizy, manome sehatra ho an’ny tanora sy ny ray aman-dreny ihany koa ny fikambanana, amin’ny alalan’ny fanomezana fampiofanana amin’ny fambolena.
Manitra R.
