31 desambra: Hitafa amin’ny vahoaka ny filoha
30 Desambra, 09h00. Hanatanteraka lahatenin’ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ny Zoma 31 desambra ho avy izao amin’ny 8 ora alina. Afaka arahina ao amin’ny pejin’ny Fiadidiana ny Repoblika sy amin’ny haino amanjerim-pirenena TVM sy RNM ary ireo haino aman-jery tsy miankina rehetra izany. Hitondràny ny jery todik’ireo asa vita tamin’ity taona 2021 ity sy ireo tetikasa ho tanterahina amin’ny taona 2022 ny tenany ary hitondra firariantsoa ho an’ny vahoaka malagasy noho ny fetin’ny Asaramanitra sy ho an’ny taona vaovao 2022.
