Dépêches

Efa manaja ny vidin’entana ireo mpivarotra eny Andravoahangy

22 Desambra, 12h00. Nidina ifotony nijery vidin’entana teny an-tsena Minisitrin’ ny fampiroboroboana ny Indostria sy ny varotra ary ny fanjifana ny 20 desambra 2021 lasa teo. Tsikaritr’izy ireo tamin’izany fa ara-dalàna ny vidin’entana ary voahaja ny lalàna velona mikasika ny tolotra sy ny tinady. Voapetraka amin’ny tokony ho izy ny vidin’ireo entana ilain’ny mponina andavanandro. Fiaraha-miasan’ny minisitra Edgar RAZAFINDRAVAHY amin’ny fitaleavana ny zon’ny mpanjifa, ny fitaleavana ny varotra anatiny ary ny fitaleavam-paritry ny varotra Analamanga io fidinana ifotony io.

Laisser un commentaire