Lozam-pifamoivoizana an-dranomasina tao Analanjirofo
22 Desambra, 13h00. Mitohy hatrany ny fikarohana ireo razana mbola tsy hita, mifanampy any ifotony ny ekipan’i BNGRC, ApmF , Faritra Analanjirofo, ireo solombavambahoaka , miampy ireto fitaovana an-dranomasina maromaro ireto. Tsy mbola fantatra mazava kosa ny isan’ireo tao amin’ny lakana noho izy tsy nanara-dalàna ka tsy fantatra mazava ny tena mpandeha tao anatiny. Olona 48 kosa no avotra ny 19 desambra teo ary 18 no faty hita, niampy 15 izany ny 20 desambra teo ary mbola mitohy androany ny fikarohana.
