Dépêches

Betroka : Basy tsy ara-dalàna miisa 31 no nisy namerina

30 Desambra, 08h00. Basy tsy ara-dalàna miisa 31 no nisy nanatitra tamin’ny zandarimariam-pirenena tao Betroka taorian’ny fanentanana nataon’izy ireo tamin’ny tañamaron’ny fandriam-pahalemana tamin’ity volana desambra ity. Haverina sy hohamafisina amin’ny fokontany rehetra anatin’ny kaominina ambanivohitra miisa 22 misy ao Betroka ny andrimasom-pokonolona, ary izy ireo no hanara-maso ny kiririsa (kizo) amin’ny fokontany misy azy ireo. Jerena manokana ihany koa ny fomba hiarovana ireo varira any an-toerana mba tsy hiverimberenan’ny fakana an-keriny na herisetra mpahazo azy ireo.

Laisser un commentaire