SocialTsidika

Soanierana Ivongo : Nahazo fanampiana ireo tra-boina noho ny hain-trano

Nanolotra fanampiana ho an’ireo olona an-jatony may trano tany Soanierana Ivongo ny Ministera sy ny BNGRC ary ireo mpitondra any an-toerana. Sakafo sy kojakoja ilaina amin’ny andavanandro no natolotra nandritra izany.

« Vary 7,5 taonina, voamaina 3 taonina miampy menaka sy savony no natolotra ho an’ny tra-boina. Eo koa ny fanomezana tohana vary 5 kilao sy voamaina 3 kilao miampy menaka 1 litatra sy savony. Izany dia ho solon-karama amin’ny fanadiovana ny Bazary ao Ambinany Soanierana Ivongo, izay ravan’ny afo tanteraka » hoy ny fiadidiana ny faritra Analanjirofo. « Mankahery hatrany anareo vahoaka tra-boina tamin’ity loza nahamaizana trano maherin’ny telonjato ity izahya. Fananana maherin’ny 5 000 tapitrisa Ariary no indray rava nandritra ity loza ity » hoy ny Ministry ny mponina, Soafilira Princia. « Mankasitraka ny fitondram-panjakana tsy nanadino anay. Very tao anatin’ny fotoana vitsy izay nohariana nandritra ny taona maro saingy teo foana ianareo » hoy i Bao, isan’ireo tra-boina tany Soanierana Ivongo. Tsy nanadino ireo vatan-dehilahy nibata ny razana nandritra ny faharenrehan’ny sambo Francia III ihany koa izy ireo. Nanome vola 1 000 0000 Ariary azy ireo. Tokony hanakaiky hatrany ny mponina tokoa izany Ministra izany.

Matetika dia vehivavy ny Minisitry ny mponina noho izy manana fon-dreny manakaiky ny fon-janaka, ary miara-marary amin’ireo vahoaka. 

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire