Paul rabary: Tsy mbola azo ampiharina eto Madagasikara ny vidin-tsolika
7 Jolay,10h 30 « Tsy mbola azo ampiharina eto Madagasikara ny vidin-tsolika marina na « vérité de prix » takian’ny mpanohitra ankehitriny fa hitondra fipoahana ara-tsosialy goavana izany hoy ny mpandinika fiaraha-monina Paul Rabary. Mahafantatra tsara izany ny mpitondra ka izay no antony hisian’ny fifampidinihana tsy miato eo amin’ny fanjakana sy ireo kaompania mpanafatra solika hoy izy. Nanamafy nefa izy fa tsy azo hihodivirana ny fiakaran’ny solika, ary mizaka izany daholo ny firenena rehetra maneran-tany ankehitriny.
