Miroso ny tetikasa « Titre Vert » ny any Agnarafaly
21 Jolay, 08h10. Tany 110 Ha no efa voadio, 40 Ha no voaasa ary efa manomboka ihany koa ny fametrahana ny « point de forage » ao amin’ny « site pilote 1» izay hanatanterahan’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana ary ny Jono ny tetikasa Titre Vert amin’ny velarantany 200ha ao Agnarafaly, Kaominina Ifotaka, distrikan’ Amboasary. Tokantrano marefo miisa 2000 no hisitraka ity tetikasa ity.
