Fasan’ny karana : Nahatratrarana amalona tsy manara-dalàna.
07 Janoary, 08h00. Nahatratrarana amalona milanja 120 kg tsy nisy taratasy fahazoan-dalanahanangona (permis de collecte) sy hivarotra teny amin’ny Fasan’ny Karana ny 7 desambra 2021 lasa teo. Nentina avy any Morondava ireo trondro ireo ary saron’ny nataon’ny tomponandraikitra avy ao amin’ny CSP eo anivon’ny Ministeran’ny Jono sy ny Toekarena Manga nandritra ny fisavana nataony. Naterina teny amin’ny foyer de vie Andrainarivo izay toerana fitaizana be antitra kosa ireo amalona tratra ireo ny 5 sy ny 6 janoary 2022 ho fanampiana azy ireo ara-tsakafo.
