BETROKA : Tovolahy iray no natelin’ny reniranon’i Mangoky
11 Febroary, 10h00. Mbola tsy hita ilay tovolahy natelin’ny reniranon’i Mangoky tao Betroka mandrak’androany. Raha tsiahivina dia ny alarobia tamin’ny 01 ora sy sasany tolakandro no no natelin’ny ny rano ity zanaky ny filoham-ponkotany ao Tanambao ity. Nifanome tànana tamin’ny fikarohana ny fokonolona, ny ben’ny tanàna, ny JIRAMA ary ny mpitandro ny filaminana any an-toerana. Efa natao ihany koa ny fombafomba rehetra hinoana fa hampipoitra ny karohina, omby iray no novonoina saingy tsy nahitam-bokany izany. Mbola mitohy ny fikarohana.
