Menabe : Tafaverina ireo olona dimy mianaka nisy naka an-keriny
11 Febroary, 09h00. Tafaverina soa aman-tsara ireo olona dimy mianaka nisy naka an-keriny ny 11 Janoary teo, tao Andafiha fokontany Soatanimbary, kaominina Ambia, distrikan’i Mahabo faritra Menabe. Tra-tehaky ny zandry ihany koa ireo 13 mirahalahy mianaka nahavanona ny fakana an-keriny, izay tsy ampy taona ny 2. Natolotra ny Fitsarana ao Morondava omaly 10 febroary ireo jiolahy ireo. Vola folo tapitrisa ariary ihany koa no efa nalain’izy ireo tamin’ny fianakavian’ireo olona nalaina an-keriny raha ny fantatra. Mbola karohina ny naman’izy ireo hatramin’izao .
