Faritra Menabe: Hisitraka rano fisotro rano madio ireo mponina miisa 3000
Dépêche 26 octobre, 10h, Mampikaikaika ny mponina ny tsy fahazoana rano fisotro madio indrindra any amin’ny faritra mafana toa an’ny Menabe. Mandeha tongotra alavitra vao mùahitab rano na mividy amin’ny vidiny lafo dia lafo. Manangana foto-drafitr’asa hisitrajhan’ny mponina any Menabe rano fisotro madio ny fitondram-panjakana amin’izao fotoana izao. Vinavinaina ho vita alohan’ny 21 desambra izao ity tetik’asa ity ka afaka ny hisitraka izany ihany kao ireo tobim-pahasalamana sy ireo sekoly ao an-toerana. Tokony haparitaka amin’ny faritra saro-drano maro ity tetik’asa ity.
