ActualitésTsidika

Fanatanjahan-tena: Tafaverina eto an-tanindrazana ireo XV Makis izay  niaro ny voninahim-pirenena tany Tunisie

Nibata ny fandresena ireo XV Makis vehivavy nandritra ny Rugby Africa Women’s Cup izay natao tany Tunisie. Laharana voalohany izy ireo tao anatin’ny vondrona C nisy azy ireo satria nibata ny fandresena avokoa nandritra ny lalao roa izay natao. Efa eto an-tanindrazana izy ireo ankehitriny ary eo am-panomanana ny lalao manasa-dalana indray.

“Ny lesoka tsy maintsy misy fa rehefa amin’ny fotoanan’ny fizarana no hanarenana ireny. Tsy misy ny zavatra mety tanteraka izany na dia nandresy aza fa tsy maintsy nisy zavatra mila arenina foana mba hahafahana manome ny tsaratsara kokoa hatrany. Niaro ny voninahi-pirenena no nataonay tany ary vitanay izany, hanoman-tena izahay izao haiatrehana ny lalao manarakan satria tsy moramora ireo ekipa ireo”, hoy ny kapitenin’ny Ekipa.

“Izay ekipa voalohany isaky vondrona no hiatrika ny lalao manasa-dalana ka tafiditra amin’izany isika izay voalohany ao amin’ny vondrona C. Hiatrika ny lalao manasa-dalana noho izany isika ka ny tanjona amin’izany dia ny hahazoana ny tapakila hahafahana miatrika ny amboara eran-tany ny taona 2023 izao. Mafy daholo ireo ekipa ireo satria ny tanjona dia mitovy daholo, samy te hiatrika izany amboara erantany izany fa ny XV Makis ihany koa dia efa vonona”, hoy ny mpanazatra.

Maro ireo delegasiona tonga nitsena ireto vehivavy mahery fo ireto. Manana ny fahaizany sy ny fahatanjahany izy ireo. Mila tosika anefa izy ireo any anatin’ny fitaovana sy ny fotodrafitr’asa hizàrana fa mbola tsy manaraka ny fenitra ilaina izany ka anisan’ny mahatonga azy ireo marefo rehefa eo anatrehan’ireo tena ekipa ngeza.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire