Dépêches

Faritanin’ny Toliara : 1 no maty, an’arivony ireo traboina noho ny fiverenan’ny Freddy

Dépêche 06 mars, 13h30, Namela takaitra mafy indray ny fiverenan’ny rivo-doza Freddy ao amin’ny Faritanin’i Toliara. Efa miisa 2 301 amin’izao ny isan’ireo olona tra-boina ary miisa 362 kosa ireo izy nafindra toerana. Ramatoa iray kosa no maty nihotsahan’ny tany. Efa betsaka ihany koa ireo lalana tapaka sy tsy azo aleha oa an-toerana noho ny fiakaran’ny rano be loatra. Araka izany dia tokony handray andraikitra avokoa ny olona tsirairay satria miovaova ny toetr’andro ka tokony ho mailo hatrany.

Laisser un commentaire