RN 25: Fiara mpitatitr’entana nifandona tamin’ny moto teo anelanelan’ Irondro sy Antsenavolo
11 Janoary, 08h00. Nitrangana lozam-pifamoivoizana teny amin’ny làlam-pirenena faha 25, Vatovavy Fitovinany, teo anelanelan’Irondro sy Antsenavolo ny alatsinainy teo manodidina ny tamin’ny 04 ora sy sasany hariva. Olona roa nandeha moto no nifandona tamin’ny fiara mpitatitra entana. Nandeha tany amin’ny havanana tokony alehan’ny fiara ilay moto ary nirimorimo ka niteraka loza. Tsy nisy ny aina nahafoy saingy tapaka ny tongotr’ilay vehivavy ary naratra mafy ny lohan’ilay lehilahy nandeha moto izay miady amin’ny fahafatesana. Efa nentina namonjy ny hopitaly any Mananjary kosa izy ireo.
