Dépêches

Fifanintsanana CAN: Manana ahiahy amin’i “Coach Rôrô “ny mpitia baolina kitra

Nanao fanambarana ny avy ao amin’ny Federasiona Malagasy ny Baolina Kitra fa i Rakotondrabe Romuald Felix na I Rôrô no hitondra ny ekipam-pirenena Barea A amin’ireo lalao roa farany amin’ny fifanintsanana CAN. Maro ireo naneho ny heviny mahakasika ity fanapahan-kevitry ny FMF ity. Misy ireo mankasitraka ary misy ihany koa ireo mbola tsy mahazo toky.

“Ekena fa nitondra ambony ny voninahi-pirenena izy tamin’iny lalao faran’ny Barea A’ iny. Tena samy hafa anefa raha ny filalaon’izany CHAN sy CAN izany. Amiko tena mbola tsy amin’izany mihitsy I Rôrô fa ny lalao no hamaritra azy. Rah any soso-kevitro izany amin’izao dia tokony hampiana mapanzatra vahiny ihany hanampy azy”, hoy I Jackie, mpankafy baolina kitra Malagasy.

“Tena raha vonjimaika tsy olana fa raha haharitra aloha hitako mbola tsy vonona izy. Tsara ny mitadidy fa mila miady toerana mafy rah ate hiatrika io CAN io”, hoy kosa ny hafa.

Manamarika kosa anefa ny avy ao amin’ny FMF ny antony nisafidianana ity mpanazatra ity. “Ny traikefa sy ny fomba fijeriny dia hinoana fa hanorina fototra vaovao ho an’ireto ekipam-pirenena ireto ary indrindra hitondra ny Barea ho any amin’ny fandresena eny ambony kianja eny”.

Manantena fahombiazana amin’ny lalao ny rehetra ka araka izany dia ilaina hatrany ny fanohanana na iza na iza no mitondra ireto ekipam-pirenena ireto.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire