Ambohimangakely : Tratra ireo andian’olona mpivarotra tany tsy ara-dalàna
Andian’olona mivarotra tanin’olona amin’ny alalan’ny fampiasana taratasy hosoka no tratran’ny zandary avy ao amin’ny brigady Ambohimangakely, ny talata teo. Ramatoa lehibe, efa mananika ny faha 67 taona ny iray tao anatin’izany, araka ny voalaza.
“Ramatoa lehibe efa fotsivolo miaraka amin’ny ekipa solida manao antontan-taratasy hosoka hivarotana tanin’olona. Tany mirefy 2, 5 ha ao Ankadibe Fokontany Ikianja Avaratra Kaominina Ambohimangakely misoratra amin’olona efa maty, manana mpandova, no nokasain’ireto olona ireto amidy” hoy ny avy amin’ny CIRGN Antananarivo.
“Nanamboarana karapanondro hosoka, nanaovana kopia fahafatesana hosoka, nahavitana fanamarinana maha-mpandova hosoka, izay milaza fa ity ramatoa lehibe ity irery no hany mpandova. Tsy fantatr’ireto taranaka tena izy akory anefa ny fisiany. Nankinin’ireo mpandova ara-dalàna tamin’ny zandarimaria Ambohimangakely miandraikitra ady lova ny fanadihadiana ka sarona ny afera maloton’izy ireo” hoy hatrany ny fanazavana.
Efa mati-hanina amin’ny fanaovana hosoka no niara-nanatanteraka izao afera ratsy izao raha ny voalaza hatrany, izay vehivavy efa ela nikarohana azy. Samy nahazo sazy sahazy azy avokoa moa ireto farany ka notanana am-ponja vonjimaika.
Manitra R.
