ActualitésTatitra

Colombie : Mbola manantena ahita velona ireo ankizy efatra very tao an’ala ny tompon’andraikitra

Fiaramanidina kely iray no nianjera tao amin’ny alan’ny Amazonie efa ho ray volana lasa izao. Raha tsiahivina dia manodidina an’i San José del Guaviare, any amin’ny 400 km atsimo atsinanan’i Bogota no tsy hitan’ny « radar » ara-bakiteny intsony io fiaramanidina Cessna 206 io. Olona 7 no tao anatin’izany, olon-dehibe telo ary ankizy efatra izay 13, 9 sy 4 taona ary zaza 11 volana.

Ny 15 may kosa no hita tao amin’ny alan’ny Amazonie ilay fiaramanidina. Hita faty tamin’izany ireo olon-dehibe telo raha tsy tao anatiny intsony ireo zaza efatra. Tsy hita tao anatin’ny fiaramanidina na manodidina izany izy ireo ary raha ny fanazavana dia mety mbola ao anatin’ny al aizy ireo. Manoloana ny tranga dia olona mahery ny 200 isa no mikaroka azy ireo. Nilaza ny tompon’andraikitra fa mbola azo heverina fa mbola velona ireo ankizy ireo.

Nahita kiraro kely sy « couche » roa ireo manam-pahefana lavidavitry ny toerana nisehoan’ny tranga. Heverina noho izany fa mbola velona ary mirenireny ao anantin’ny ala ireo ankizy hoy ny jeneraly Pedro Sanchez.

Laisser un commentaire