SportTatitra

Autriche : Lasan’i Francesco Bagnaia ny amboaran’ny Grand Prix d’Autriche MotoGP

Norombahan’i Francesco Bagnaia (Ducati) ny Grand Prix d’Autriche MotoGP ny alahady teo. Fandresena fahatelo norombahany teo amin’io taranja io izany. Voasongony ilay tompondaka Fabio Quartararo (Yamaha) nandritra ny fifaninana. Nanaraka azy tao kosa ny mpiray tarika tamin’i Bagnaia, Jack Miller.

Mbola mitany ny anaram-boninahiny nefa i Fabio Quartararo. Nihoarany lavitra ilay mpifaninana akaiky azy Aleix Espargaro (Aprilia) izay teo amin’ny laharana fahaenin’ny GP.

Mbola mitany ny anaram-boninahiny nefa i Fabio Quartararo. Nihoarany lavitra ilay mpifaninana akaiky azy Aleix Espargaro (Aprilia) izay teo amin’ny laharana fahaenin’ny GP.

Laisser un commentaire