Alasora : Nisy fanamboarana ny jiro teny an-toerana
Nisy ny fanamboarana ireo andrin-jiro teny Alasora ny 20 aogositra 2022 lasa teo. Marihina moa fa efa misy hatrany ny fanaraha-maso izay atao amin’izy ireny. Araka ny voalazan’i Tovo mponina eny an-toerana dia tena mijaly tokoa izy ireo amin’ny lafiny jiro. Izany indrindra no antony nisian’ity fanavaozana ity. Ny andrin-jiro teo amin’ny domaine moa no tena nisy fanavaozana noho izy ivon’ny kaominina. Hitohy hatrany ny fanavaozana ireo andrin-jiro eny amin’ny toerana hafa. Isaorana ireo rehetra misahana izany fanatsarana izany.
Famenontsoa Rajerison
