ActualitésTatitra

France : Hikatona avokoa ireo toeram-pandihizana

Mba hanoherana ny andiany fahadimy amin’ny valan’aretina covid-19 dia nanambara ny praiministra Jean Castex fa hikatona manomboka ny zoma izao avokoa ireo alim-pandihizana ao an-toerana. Efatra herinandro ny faharetan’izany fitsaharana izany, izany hoe hatramin’ny fiandohan’ny taona ho avy.Hahazo tohana ara-bola amin’ny fanjakana kosa ireo orinasa voakasik’izany. Mbola sarotra, hoy i Jean Castex, ny mamehy ny fanaovanana arovava amin’ireo toerana ireny ka entina hisorohana ny fifindrana no anton’io fanam-pahan-kevitra io.

Laisser un commentaire