France : Lehilahy iray namely famaky ny lehilahy iray hafa tao Vaucluse noho ny resaka fitiavana
Lehilahy roa 30 sy 32 taona no niady vehivavy tao Vaucluse ny 5 septambra teo tamin’ny 5 ora maraina. Efa samy mamomamo ny roa tonta raha ny fanazavana ka vetivety dia niakatra ny feo. Nody kosa ny iray tamin’ireo naka famaky tany an-tranony rehefa avy nifamaly elaela teo hoy ny mpitandro ny filaminana. Teo amin’ny lohany sy ny tanany no voa ilay lehilahy iray hoy hatrany ny zandary ao amin’ny brigady Cadenet sy Pertuis. Nosamborina avy hatrany ny lehilahy ary fantatra nandritra ny fanadihadiana natao fa teratany Tahitien ity nirongo famaky ity.
