SocialTatitra

Israël : Voafonja avy any Palestine miisa 6 no nitsaoka ny fonja

Tsy nanambara ny mombamomba ireo voafonja nitsaoka ireo ny israélien fa ny fikambanan’ny voafonja palestinien ao Cisjordanie no nahafantarana azy ireo. Tamin’ireo nitsoka ireo raha ny fanazavan’ireto farany dia an’i Zakaria al-Zoubeidi, mpitarika ny brigady ny martyrs d’Al-Aqsa teo aloha, sampana mitam-piadian’ny Fatah an’ny filoha Mahmoud Abbas, hatramin’ny 2007. Tsiahivina fa nosamborina ny taona 2009 izy noho ny fandraisana anjara tamina fanafihana samihafa. Zava-doza kosa izao zava-miseo izao hoy ny praiministra israélien Naftali Bennett. Efa nanomboka tamin’ny 3 maraina ny androtr’io ihany ny fifakarohana ireo voafonja nitsaoka ireo.

Laisser un commentaire