ActualitésTsidika

Tontosaina any Toamasina ny tetik’asa TaTom

etik’asa entina hampandrosoana ny faritra Antananarivo-Toamasina ny tetik’asa TaTom. Manatanteraka iraka any Toamasina ankehitriny ireo manam-pahaizana eo anivon’ny Ministeran’ny Fanajariana ny tany sy ny JICA. « Hitondra tohana ara-teknika amin’ny fanatanterahana ny tetik’asa fampandrosoana ny tanàna TaTom ka isan’ny tokony ho laharam-pahamehana izy » hoy ny avy ao amin’ny Ministera. »Miankina amin’ny lafiny maro ny fanajariana ny tananan’ny Toamasina, anatin’izany ny fanavaozana ireo lakan-drano, ny fihitaran’ny tanàna, ny fanajariana ny lakan-dranon’ny Pangalanes, ary ny fanamboarana ireo lalana maro » hoy ny mpikaroka. »Irariana mba tena hitondra fiovana eo amin’ny tanànan’i Toamasina tokoa izao tetik’asa izao, i Toamasina izay tena mila fampandrosoana tokoa satria renivohitr’i Madagasikara raha resaka toe-karena noho izy manana ny seran-tsambo lehibe indrindra eto amintsika » hoy ny Ben’ny tanànan’i Toamasina. Ankoatran’ny Toamasina I dia voakasikin’ity tekik’asa ity ihany koa ny kaominina manodidina toy ny Toamasina II, Amboditandroho, Fanandrana ary Antetezambaro. Hitondra fiovana ho an’i Toamasina tokoa ve ity tetik’asa ity ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire