Ambohimanambola : Mandroso ny fivoaran’ny fiofanana Seikatsu Kaizen
Mandroso hatrany ny fiofanana izay omen’ny kaominina Ambohimanambola, ireo tanora miatrika ny fiofanana ho mpilatsaka an-tsitrapo amin’ilay tetik’asa « Seikatsu Kaizen » ao an-toerana. Amin’izao fotoana izao, ny fiofanana ho lasa mpanentana indray no naterahan’ireo tanora, raha ny voalaza.
« Satria moa ny hampivoatra ny tontolo ambanivohitra no hifontorana ato anatin’ny tetik’asa Seikatsu Kaizen, araka ny efa nolazaina ireo tanora mpiofana hatrany am-boalohany dia fiofanana feno amin’ny firotsahana an-tsehatra sy ny fanentanana no tena omena azy ireo » hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
« Tombony lehibe ho ahy mihitsy ny nanarahako ity fiofanana ity satria tena maro be ireo zava-baovao ato anatin’ny fiofanana. Ankoatra izay, nifankahita sy niara-niasa tamin’ny namana maro, nifanoro sy nifampizara traik’efa amin’izy ireo” hoy I Nadia, mpilatsaka an-tsitrapo.
Tetik’asa manatsara fiainana ary ny hitondra fivoarana no tanjona ao anatin’ity tetik’asa Seikatsu Kaizen ity. Manana tombony lehibe tokoa ireo tanora izay manaraka ity fiofanana ity ao an-toerana araka izany satria afaka maka traikefa no mampitombo ny fahaiza-manao sy ny serasera.
Manitra R.
