ActualitésTatitra

Comores : Tontosa ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny nosy sy Rwanda

Tontosa ny alatsinainy teo nandritra ny lanonana nokarakarain’ny minisiteran’ny raharaham-bahiny tao Comores ny fanaovan-tsonia fiaraha-miasa teo amin’ny nosy sy Rwanda izay nisoloan’ny minisitr’i Comores, Dhoifir Dhoulkamal sy ny minisitr’i Rwanda, Vincent Biruta tena.

Manamarika ny fanamafisana ny fototry ny fifanarahana eo amin’ireo firenena roa ireo io fanaovan-tsonia io raha ny fanazavana. Ho tohizan’ireo teknisianina samihafa misehatra eo amin’ny sehatra samihafa toy ny fizahan-tany, angovo, fambolena, fanabeazana sns kosa io fifanarahana io hoy ny tompon’andraikitra.

Laisser un commentaire