ActualitésTsidika

Ambohimanambola: Hanolotra fiofanana maimaim-poana ho an’ny rehetra

Hisy ny fiofanana arak’asa maimaim-poana izay hatolotry ny kaominina Ambohimanambola. Fiaraha-miasa teo amin’ny kaominina sy ny ministeran’ny fampianarana ara-teknika ary ireo ivon-toeram-panofanana arak’asa ( centre de formation proféssionnelle pour les femmes) Antsofonondry izany.

“Efa misokatra ny fisoratana anarana izay atao amin’ny biraon’ny kaominina, amin’izao fotoana izao, mahakasika ireo fiofanana izay hatolotry ny kaominina. Izany moa dia fiofanana momba ny fanamboarana mofo mamy, fiofanana mahakasika ny zaitra, fiofanana amin’ny taranja informatique ary mahakasika ny tontolon’ny zaitra” hoy ny tomponandraikitra avy ao amin’ny kaominina.

“Anisan’ny tolotra tena ilain’ny tanora ny fiofanana tahaka izao, mba hahafahana manovo fahalalana sy maka traikefa. Tsara kokoa anefa raha amin’ny fotoana mahaafaka ny rehetra no hanaovana izany” hoy I Valisoa, mponina ao Ambohimanambola.

Samy manana ny fotoana hianarany avokoa moa ireo taranja hianarana mandritra ny fiofanana ireo. Voafetra ihany koa ny toerana ho an’ireo izay liana te hanaraka izany fiofanana izany.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire