SocialTsidika

Nodimandry i Radavidson Andriamparany Benjamin

Lasa ny alin’ny alahady hifoha ity Alatsinainy 17 may 2021 ity i Radavidson Andriamparany Benjamin rehefa tratry ny tsy fahasalamana tao anatin’ny iray volana teo izay. Manam-pahaizana ara-toekarena, efa nitana andraikitra ambony teto amin’ny firenena izy ary nanana ny maha izy azy. Niara-niasa akaiky tamin’ny filoha teo aloha, Marc Ravalomanana ny tenany ary voafidy ho Minisitry ny vola ary efa Minisitry ny Fanabeazam-pirenena ary solombavambahoaka tamin’ny fitondrany ny taona 2002-2008. Isan’ireo nilatsaka ho fidiana tamin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika tamin’ny taona 2013 sy 2018 i tompokolahy Radavidson, ary kandidà laharana faha-10 tamin’ny farany teo. Mafana fo ao amin’ny fiangoanana FJKM ny lehilahy, ka nitana andraikitra lehibe teo anivon’ny sampana Fivondronana Laika. Ny maha solombavambahoaka izay tao amin’ny Boriborintany fahefatra no andraikitra nosahaniny farany tamin’ny asa fanompoana tanindrazana. Teo amin’ny faha 60 Taonany izy izao nindaosin’ny fahafatesana izao. Olona tena azo atokisana tokoa raha i Radavidson ary manamafy izany indrindra ny filoha teo aloha izay niara-niasa akaiky taminy. Mirary fiononana feno ho an’ireo fianakaviany sy ny namany ary ireo mpiara-miasa aminy izahay ekipan’ny Tsidika.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire