France : Nandresy tamin’ny taranja MotoGP i Jack Miller
Nibata ny amboara tao amin’ny kianja Bugatti i Jack Miller (Ducati) ny alahady teo. Fandreseha faharoa ho azy ity, taorian’ny nadreseny tany Espagne, tapa-bolana lasa izay. I Johan Zarco (Ducati) no faharoa tamin’ny alahady, ary i Fabio Quartararo (Yamaha) kosa no fahatelo. Ity farany no mitarika izao amin’ny fiadiana ho tompondaka manerantany (isa 80). Manaraka azy i Francesco Bagnaia (Ducati, isa 79). Fahatelo kosa i Johann Zarco (Ducati, isa 68).
